Namoaka naoty vaovao hanamafisana ny fitsirihana ho an’ireo fiara fitaterana iombonana eto an-drenivohitra ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra. Niverina nanomboka ny volana desambra 2021 lasa teo izany, taorian’ny fangatahan’ireo kaoperativa teo anivon’ny fitaterana iombonana eto an-dRenivohitra. Manodidina ny 40 isan’andro ireo Taxi-be manao fitsirihana “visite de conformité » eny amin’ny Service municipale d’entretien des véhicules (SMEV) Ampasampito. Tanjona ny hahafahana manara-maso ny fiara sy hisorohana ny lozam-pifamoivoizana misesy eto an-dRenivohitra.
Nanambara ny Tale misahana ny fitaterana sy fifamezivezena eto an-dRenivohitra, ny commissaire divisionnaire, Ainanirina Albert Estel fa miverina indray ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato. Nilaza izy fa samy hafa ny « visite technique » sy ny « visite de conformité ». Tokony hanatanteraka izany avokoa ireo fiara rehetra izay mandraharaha eto anivon’ny fari-piadidianan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra. Natokana hoan’ ireo fiara mandraharaha eto anivon’ny fari-piadidian’ Antananarivo Renivohitra ary ny tomponandraikitra mahefa avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny « visite de conformité ». Mbola ireo fiara eo anivon’ny zotra Urbaine ihany no manao izany.
Savain’ny polisy
Afaka misava ny taratasin’ny fiara ny Polisy monisipaly sy ny Polisy Nasionaly, misehatra ao anatin’ ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Mahavoasazy sy mahatafiditra am-balam-pamonjana ny tsy fanaovana ny « visite de conformité ». Atao izy ity alohan’ny « visite technique ». Efa-bolana ny faharetan’ireo fitsirihana roa ireo. Tsy mitovy ny teboka sy ny fepetra amin’ny fitsirihana ny fiara amin’ireo karazana fitsirihana ireo. Mamaly manokana ny sehatra fandraharahana eto anivon’ny Tanànan’Antananarivo ary ny filaminan’ ny mpandeha ao anatin’ireny fiara iombonanaireny ny « visite de conformité ».
Hivoaka tsy ho ela ny naoty mikasika ny « visite de conformité » avy ao amin’ny UCTS.
Mino (mpianatra asa)