Fanomanana ny CEPE : tara vao tonga ny vola hividianana fitaovana

Nitaraina ireo talen-tsekoly tsy miankina sasany re­hefa naka ny taratasy fian­tsoana ny mpiadina ao aminy fa nangataka vola hanampiana amin’ny fampandehanana ny fanadinana ny lehiben’ny foibem-panadinana. Tara ny fahatongavan’ny vola avy amin’ny minisiteran’ny Fa­nabeazam-pirenena ka 20% amin’ny sora-bola ilaina aloha no eo am-pelatanan’ny tomponandraikitry ny foibem-panadinana. 200 Ar ka hatramin’ny 700 Ar isaky ny mpiadina no takin’ny lehi­ben’ny foibem-panadinana, mbola mila mitondra « masking tape » hanakonana ny anarana koa ny mpiadina rehetra ampiasaina ny an­dron’ny fanadinana. Ampia­rahana amin’ireo ny rame taratasy. Sahiran-tsaina ireo talen-tsekoly satria tsy niomana ara-bola amin’ireo fangatahana ireo. Vokany, sekoly fito any Mahajanga no tsy naka ny taratasy fian­tsoana hatramin’ny omaly, nahitana tranga toy izany koa any Betafo, Miarina­rivo ary eny amin’ny CEG Andoharanofotsy, araka ny vaovao azo. Nanazava ny lehiben’ny Cisco Atsimon­drano fa nisy fahatarana tokoa ny fahatongavan’ny vola avy any amin’ny mi­nisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hampandehanana tsara ny asa fanomanana rehetra. Efa azo ny 9 mey kosa ny ampahany voalohany ka afaka nikarakarana ny taratasy fiantsoana ny mpiadina. Tsy misy ahiana ny fitaovana ho an’ny fanadinana CEPE amin’ny talata izao sy ny famoahana ny lisitry ny mpiadina afaka ho an’ny Cisco Atsimon­drano. Mbola manana ha­tramin’ ny alatsinainy hariva ny tomponandraikitra hamahana ny olana hisorohana ny savorovoro mety ateraky ny tsy fahampian’ny fitaovana.

Vonjy A.

Partager sur: