Rovan’i Madagasikara : miverina misokatra ho an’ny mpitsidika i Manjakamiadana

28 taona aty aorian’ny nahamay azy, tafatsangana ny Rovan’i Madagasikara. Fanambin’ ny filohan’ny Repoblika ny fanarenana izany, raha vao nandray ny fitondrana izy.

Notanterahina omaly, ny fanokafana ny Rovan’i Madagasikara, taorian’ ny fanarenana sy fanavaozana azy. Notokanana, niara-dalana tamin’izay koa ny kianja Ma­soandro, izay fotodrafitrasa vaovao. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Repoblika Ma­lagasy, Rajoelina Andry sy ny vadiny. Nanotrona azy ireo ny olom-panjakana sy olo-manakaja samihafa.
“Volan’ny Malagasy madio no nanaovana izao fanarenana izao noho izy mariky ny fiandrianam-pirenena” hoy Rakotondrazafy Lalatiana, Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina.
Hisokatra ho an’ny daholobe, manomboka anio ny Rovan’i Manjakamiadana. Tafatsangana, natao nanaraka ny toetrandro, niaraka tamin’ ny fitazonana ny endriny fahiny ity harem-bakoka malagasy ity. Raha tsiahivina, 28 taona izay no nahamay ny rova, ny 6 novambra 1995.
Nanapa-kevitra ny hanarina azy ny fitondrana, ny taona 2019. Nasina fanamboarana sy fanatsarana avokoa ny lapa rehetra. Ny Lapan’ny Ma­nampisoa sy ny Tranovola sisa no eo am-pamaranana ny fanamboarana azy. manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ity rova vao navaozina ity. Foto­drafitrasa izay ho fanomezana hasina ny toerana, raha ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina.
Ara-tantara mantsy, lapa Masoandro no tokony naorina teo saingy nanorenan’ireo vahiny dobo izany. Ho famerenan-kasina ny toerana, naorina ny kianja . Nisy ny seho voalohany natao teo amin’izany kianja izany, nanehoana ny tantaran’ny mpanjaka tao anaty rova sy ny an’i Mada­gasikara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: