Raha ny efitrano na ny tokontany malalaky ny AFT Andavamamba no nahazatra hatramin’izay. Tamin’ny alalan’ny “Carnaval Mozikara” indray no nentina nanamarika ny «Fête de la musique», tamin’ity taona 2023 ity. Niainga teo Mandrimena, nandalo an’Andoharanofotsy, tonga teo Tongarivo Tanjombato, izay nolalovan’ny «Carnaval», voasarika ny hijery avokoa. Nahatratra 300 mahery rahateo ireo nanatanteraka ny fiarahana. Tafiditra tao anatiny ny mpitendry zavamaneno, ny mpandihy, ireo mpitsoka mozika lehibe, ireo mpikapoka zavamaneno ravaka, ny mpanao «cirque», ireo mpiangaly ny vakisôva, sns.
Nahasarika tanora ihany koa ny seho teny amin’ny kianja nanatanterahina ny fampisehoana satria ireo mpanakanto ankafizin’izy ireo no tazana niaka-tsehatra. Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoana i LJO, Rim-Ka ary Lion Hill.
HaRy Razafindrakoto