CUA – Tropy Jeannette : nahaliana ny tanora ny nilalaovana ny tantara « HM »

Ho an’ny sasany, «sambany». Ho an’ny hafa, «hay ve tahaka izany no atao hoe teatra». Ho an’ny ankamaroan’ ny tanora tonga tetsy anolo­an’ny Lapan’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra : «tena liana be izahay. Heveri­nay fa mitovy amin’ilay tantara nolalaovinay tany am-piangonana…» ! Nahaliana ny tanora ny nilalaovan’ny Tropy Jeannette amin’izao fotoana ilay tantara «HM», nosoratan-dRakoto de Monplaisir, noravahin’ny hiran’Andrianary Ratianarivo.
Sokajiana ao anatin’ny teatra klasika malagasy izy ity. Nahavariana ny tanora, omaly, izy io satria tafiditra ho anisan’ny fampitan-kevitra ao anatin’ny tantara, ny hira. Tsy mijanona ho ravaka fotsiny fa tena mifameno sy mifamatotra akaiky amin’ny ambaran’ny mpilalao. Izany hoe, tokony mahay mihira (mahafehy tekni­ka fihirana) ihany koa ny mpilalao teatra klasika mala­gasy.
Marihina fa anisan’ny manohana ny Tropy Jeannette amin’ny fanatanterahana ny «mampitia hatrany ny teatra malagasy» ny vondron’orinasa Andriantsitohaina sy ny Fondation Sodiat ary ny Kao­minina Antananarivo Reni­vohitra (CUA).

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: