Nifarana afakomaly, ny fifaninanana an-tsekoly, taranja baolina kitra, sokajy zazavavy U15. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ ny CEG Nanisana. Nandresy ny ekipan’ny CEG Antanimbarinandriana, tamin’ny isa 2 no ho 0 izy ireo. Araka izany, laharana faharoa ny CEG Antanimbarinandriana, fahatelo ny kolejy Masina Misely Amparibe. Voafidy ho mpiandry tsatoby mendrika indrindra, Randria Felicia Koloina avy amin’ity sekoly ity. Mpamono baolina be indrindra i Miaroniaina Princia, CEG Nanisana. Mpilalao mendrika indrindra Rarivo Cathy avy amin’ny ESCA Antanimena. Ankoatra ny lalao, nisy ihany koa ny fifaninanana maro, toy ny « jonglage », « tir » ary “concours d’équipes”.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 12 novambra 2022 ny fifaninanana. Ekipa valo no nandray anjara: CEG Nanisana, CEG Antanimbarinandriana, CEG Antanimena, Kolejy Masina Misely Amparibe, CEG 67 ha, CEG Analamahitsy, ESCA Antanimena, sy ny Kolejy Rasalama ary ny Collège La France.
Tetikasa vao manomboka ny fifaninanana, araka ny nambaran’ny filohan’ny komision’ ny baolina kitra,sokajy vehivavy, Andriatsimialona Sandrine Michellà. Mbola hisitraka izany ny any amin’ny faritra. Mbola hisy koa ny fifaninanana manaraka ho an’ny vehivavy, izay miandry ny fanekena avy amin’ny CAF, ahazoana ny tetibola hanatanterahana izany.
Mi.Raz