Kitra – «Tournoi des 4 Nations»: resin’ny ekipa Réunionais ny Barea U23

Lavon’ny ekipa voafantin’i La Réunion, sokajy «sénior», tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ny Barea U23, nandritra ny « Tour­noi des 4 nations ». Fihaonana, notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja Aimé Bergeal Mantes La Ville, Frantsa. Baolina tokana tafiditr’i Damien Ludovic, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Nosahiranin’ny Bareakely ry zareo renioney, tamin’ity.
Nisy ihany ny baolina tokony ho matin’ny Barea, saingy tsy matotra ireo lohalaharana. Tsiahivina fa ireo mpilalao avy any Eoropa avokoa no nandrafitra ny Barea de Madagascar, tamin’ ity. Tsy afaka noho ny resaka «visa» mantsy ireo mpilalao avy eto an-toerana.
Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny fanomanan’ny Renioney ny lalaon’ny Nosy, ity fihaonana ity. Hifandona amin’i Comores, nandresy an’i Paris Athletico Club, tamin’ny isa 4 no ho 0 eo amin’ny famaranana, ry zareo Renioney.

Tompondaka

Partager sur: