Rugby – XXL Energy Top 20: nivoaka sempotra vao nandresy ny Mang’Art ny Tam Anosibe

Sahirana ny Tam Ano­sibe vao nahazo ny ta­pakila, hiatrehany ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Energy Top 20. Fihaonana, notanterahina omaly alahady 18 jona, teny amin’ny kianja Makis An­dohatapenaka. Efa tany amin’ ny fanalavam-potoana “mort subite”, vao nandresy ny Mang’Arts Manjakaray, ta­min’ny isa 29 no ho 26 ry zalahy. “Hors jeu” voatsa­ran’i Sitraka.

Niady ary nampitsanga-mitoetra hatramin’ny segondra farany ny fihaonana teo amin’ny roa tonta. Nitarika tamin’ny isa, 10 no ho 0 ny Mang’Arts teo amin’ny 15 mn voalohany ka “hors jeu” iray sy baolina nentin-tanana ny nahazoany izany. Taorian’ izay vao nanomboka nana­fika ny Tam ka nahatsindry baolina ihany koa saingy tsy voatsaran’i Sitraka izany. Niezaka nanao totoafo tao anaty “pack d’avant” ny Tam, notarihin-dry Maholy sy ny namany. Nampiasa ny tolotolotra haingam-pandeha kosa ny Mang’Arts, niainga tao amin’i Rado sy i Faniry ary i Tahina.

Nitarika tamin’ny isa 17 no ho 10 ny Mang’Arts teo am-pialan-tsasatra. Fidirana faharoa, samy niezaka nanafika ny andaniny sy ny an­kilany.

Nanantombo anefa Man­jakaray ka nitarika 26 no ho 21 izy ireo, teo amin’ ny mi­nitra faha-80. Segon­dra sisa nandrasana dia rava ny lalao saingy tsy nampoizin’izy ireo fa nahatonga baolina nentin-tanana ny Tam saingy tsy voatsara ka sahala 26 no ho 26 ny isa. Tany amin’ny “mort subite”, no nanao fahadisoana ny Mang’Arts ka nahazoan’ny Tam “hors-jeu” ka nitondra azy ireo, tany amin’ny fandresena.

Tompondaka

Ireo voka-dalao hafa

Cosfa (66) – (19) 3FAI ; TFA Anatihazo (43) – (30) UASC Che­minots ; STM (28) – (19) FTBA

Partager sur: