Nitsoka ny varatraza ny faran’ny herinandro. Nihanalefaka izany manomboka anio, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro eny Ampandrianomby, omaly. Ho an’ny anio, nihanalefaka ny tsiokan’ny varatraza. Mahatonga izany ny fisian’ny rindrin-drahona ao amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Mbola hahazo orana malefaka any Sava sy Analanjirofo. Ho maina ny andro amin’ny faritra sisa rehetra.
Rahampitso, hanjaka ny zavona vao maraina. Hisava ihany izany rehefa atoandro eto afovoantany. Varatraza malefaka no mandrafitra ny toetry ny andro ka mbola hitoetra ny orana any Sava sy Analanjirofo fa ho maina ny faritra ambiny . 10°C ny maripana ny maraina, hiakatra hatramin’ny 24°-26°C ny atoandro.
7°C ny maripana vao maraina, any Vakinankaratra. Manentana ny mpampiasa ny lalam-pirenena ny teknisianina mba hitandrina. Ho betsaka ny zavona, mety hitera-doza amin’ny fahitana. Ho an’ny alarobia, tsy hisy fiovana loatra ny toetry ny andro fa hahazo vahana ny zavona maraina. Hisinda avy eo miaraka amin’ny maripana miakatra ny atoandro.
Vonjy