Nahita vahaolana ihany ny minisiteran’ny Fampianarana ambony manoloana ny olan’ny karaman’ny mpampianatra sy ny tambin-karaman’izy ireo.
Taorian’ny fanambaran’ ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka nandritra ny filankevi-pirenena fa hiteraka fampikatsoana ny asa fampianarana sy fikatonan’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana ny tsy fandoavan’ ny fanjakana ny karaman’ny mpampianatra an-tselika (vacataire) sy ireo mpikaroka mpampianatra efa misotro ronona, satria izy ireo no mampihodina ny 70% amin’ ny asa rehetra amin’ny fampianrana ambony, Nilaza ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny herinandro lasa teo, fa efa nivoaka nanomboka ny 5 jona lasa teo ny saran’ny ora fanampiny rehetra ho an’ny oniversite enina, nandritra ny taom-pianarana 2018-2019. Mila manatona ny oniversite isanisany ireo mpampianatra voakasika momba ny lamina amin’ny fandoavana ny vola mifandraika amin’izay. Nanamafy ny minisitera mpiahy, tamin’ny alalan’ny fanambarana nosoniavin’ny sekretara jeneraliny, fa efa tonga any amin’ny oniversite tsirairay ny karaman’ny mpampianatra an-tselika. Efa-taona no tsy nisitraka intsony ny karamany izy ireo fa 25% ho an’ny taom-pianarana 2018-2019 no azo farany.
Momba ny “indemnité” ho an’ny fikarohana kosa, efa tonga any amin’ny onivesite ny sora-bola ka voakasika ny eto Antananarivo ho an’ny fakiolte sasany, ho an’ny ENS, ny oniversiten’Antsiranana ary Toamasina. Tsy mbola nahatonga ny antontan-taratasy kosa ny sampam-piofanana maromaro.
Voalazan’ny fanambarana fa nalefa eny anivon’ny oniversite tsirairay ny karama ho an’ireo niasa nandritra ny fanadinana bakalorea taona 2022. Iangaviana hanefa izany ireo oniversite tsy mbola nahatanteraka ny azy satria efa hiroso amin’ny bakalorea 2023 tsy ho ela. Tsy misy trosa intsony ny karama ho an’ny bakalorea taona 2021.
Vonjy