Reny sy ny zaza : tomban’ezaky ny asan’ny fikambanana Mahavagno

Feno dimy taona ny fikambanana Mahavagno, ivondronan’ny vehivavy avy any Atsimo Atsinanana (Grand Sud-Est). Mifantoka amin’ny sehatry ny sosialy ny fikambanana, ka laharam-pahamehana ny reny sy ny zaza. Natao ny sabotsy 17 jona teo, teny amin’ny Cercle Mess Soa­nierana, ny tomban’ezaka vitan’ny Mahavagno. Mam­pi­avaka azy ny tsy fanavahana loko politika, satria tanjona ny fampandrosoana ny tany niaviana.
Nilaza ny filohany, Randrianasolo Pauline, fa maro ny asa sosialy vita, niatrehana ny fiantraika ara-toekarena sy sosialy vokatry ny krizy Covid-19 sy ny akon’ny ady any Ukraine amin’ny fidangan’ny vidin-javatra. Eo koa ny fandalovan’ny rivodoza tany Atsimo Atsinanana. Nampiana ny vehivavy marefo may trano tany Fara­fan­gana, nananganana trano fonenana miisa fito. Noraisina an-tanana ny fitsaboana ny akizy tratry ny «hydrocéphalie» tao amin’ny hopitaly HJRA. Nizarana bodofotsy ny ankizy sahirana teny 67 ha, nomena fitaovana fidiovana ny vehivavy voafonja eny Antanimora, sns.

Miray ombon’antoka amin’ny Tambajotra vehivavy Afri­kanina miteny frantsay any amin’ny Repoblika demokratika Congo ny Ma­havagno. Mandray anjara amin’ny fivoriana iraisam- pirenena mikasika ny vehivavy sy ny ankizy.

Njaka A.

Partager sur: