Notokanana, omaly, ny toeram-pidiovana sy fahadiovana ary ny rano fisotro madio ho an’ny EPP Ambohitrandriamanjaka, kaominina Ambohimanga Rova, distrikan’ Antananarivo Avaradrano.
Natao manara-penitra ny fotodrafitrasa ahafahan’ny mpianatra sy ny mpampianatra mahazo tombony ara-pahasalamana sy manaraka ny fepetra ho an’ny fahadiovana.
Niarahana tamin’ny fandaharanasa “Madio Tom” sy ny Fondation Axian ary ny fikambanana Manohisoa ny fanatanterahana ny fotodrafitrasa.
Tanjona ny hisorohana ireo karazan’aretina azo amin’ ny mikraoba sy ny loto vokatry ny rano tsy azo antoka sy hampihena ny fiantraikan’izany amin’ny fahasalaman’ny mpianatra ao an-toerana.
Efa nanamboatra toerana ho an’ny fahadiovana sy fidiovana hatrany ny Fondation Axian tamin’ireo EPP maro manerana ny Nosy. Ny fandaharanasa “Madio Tom” kosa miasa amin’ny famatsiana rano fisotro madio ary miantoka ny fitantanana maharitra izany.
Nahafaly ireo mpianatra sy ny mpampianatra ny fisitrahana ny fotodrafitrasa vaovao satria sady endriky ny toerana no hahasoa azy ireo.
Tatiana A