Rantenaina Falson : “Ilaina ny tanora sahy mametraka fanamby ho an’ny firenena”

Manoloana ny zava-misy iainan’ny firenena, ankehitriny, maro ny tanora miezaka mioitra amin’ny fiainana. Mitady ny fomba rehetra, mikiry mba hialana amin’ny krizy mianjady isan-tokantrano. Anisan’ireny ny filohan’ny Antoko politika, Von­drona Miaro ny Fiton­drana (VMF) sady tale jeneralin’ny orinasa Ramanan­drai­be II. Tao anatin’ny va­nim-poto­anan’ny Covid-19 sy ny olana toekarena maneran-tany izy no nanangana orinasa maro. Anisan’ireny ny kaoperativam-pitaterana an-dranomasina Falson I. “Tanjona ny mametraka zavatra tsara ho an’ny firenena sy ny tanora mitovy amin’ny tena. Mizara onja miabo ho an’ny mpiara-belona. Mipe­traka ho tanora mpitarika sy ho fakan-tahaka ho an’ny hafa”, hoy izy.
Nanomboka tamin’ny asa an-tselika izy. Anisan’ ireny ny fakana sary. Asa izay tiany sy nifotorany an-taona maro. Niova sy nivoatra tsikelikely izany, ka efa manana radio tsy miankina iray izy amin’izao fotoana izao, any Farafan­gana. “Mi­velatra amin’ny lafin-javatra maro ny fandraharahana ataoko saingy manome lanja ny vokatra eto an-toerana ihany koa. Man­giny fotsiny ny tontolon’ny fitaterana izay anisan’ny tena ilain’ny mponina any ifotony”, hoy hatrany izy.
Eo amin’ny tontolon’ny politika, mbola miara-dalana amin’ny filoham-pirenena, ankehitriny, izy. Ny fikambanana Tanora Mijoro ho an’i Madagasikara (TMM) no nahalalana azy hatrizay. “Ma­nentana ny tanora aho mba ho sahy handingana ny sakana. Mila tanora manana fanamby ny firenena”, hoy izy namarana ny resaka. Na­namarika ny faha-32 taona nahaterahany, omaly, ity ta­nora mpandraharaha, mpanao politika avy ao Fara­fangana ity.

Randria

Partager sur: