Fisokafan’ny Rovan’i Madagasikara : maro sahady ireo nitsidika nandritra ny andro voalohany

Ankoatra ny maha andrin’ny tantaran’Antananarivo manokana sy i Madagasikara amin’ ny ankapobeny, toerana mahasarika ny vahiny sy ny tompon-tany koa ny Rova. Mitoetra ny maha fampahafantarana ny tantara azy.

Tsindrindaona te hahita ny ao anatiny… Niro­hotra maro ireo nanam-panirina ny hitsidika ny Ro­van’i Madagasikara, om­aly, andro voatondro isokafany voalohany ho an’ny besinimaro. Na andro fiasana sy fianarana aza, nahitana soka­jin’ olona samihafa ireo niakatra teny Anatirova. Nisy ny fianakaviana, vondrona tanora, fi­kambanana sy mpianatra ma­romaro izay efa nanamboatra fandaharam-potoana mialoha. Anisan’ireny ireo mpianatra misehatra eo amin’ny fizahantany sy ny tantara eny amin’ny ambaratonga ambony.

Tamin’ny ankapobeny, tsy nisy tena nanampo izay ho hitany ireo mpitsidika, indrindra ny ao anatin’ny Lapa Manjakamiadana. Lasa mo­zea ampiasana ny teknolojia maoderina toa ny “hologramme”, “audio guide” sy ny “projection panoramique”, entina hampahafantarana sy hamerenana ny tantara mantsy ny ao. Na izany aza, mbola tazana miranty ao Man­ja­ka­miadana ihany ireo vakoka tranainy sisa tavela tao Ana­tirova fahiny, nialo­han’ny nahamay azy.
Tsiahivina fa efa tranombakoka i Manjakamiadana nialohan’ny naharava azy. Natao hotsidihin’ny Malagasy sy ny vahiny, araka izany, ary mbola izao tafaverina soa aman-tsara izao, 28 taona aty aoriana. Toa ny mozea rehetra maneran-tany, misy ny saram-pitsidihana ary tsy mitovy ho an’ny teratany sy ny vahiny. Misokatra ho an’ny mpitsidika isan’andro, afa-tsy ny talata, izay natao ho an’ny fanadiovana sy ny fikojakojana ny Rovan’i Madagasikara. Mari­hina fa efa manaraka ny fenitra ho an’ireo olona mampiasa seza misy kodiarana ny foto-drafitrasa.

Nangonin’i Zo ny Aina

Toa izao ny saram-pitsidihana

Fitsidihana an’i Manjakamiadana fotsiny (amin’ny maha mozea azy):
– Teratany malagasy na vahiny efa monina eto: 2 000 Ar ho an’ny zaza latsaky ny 10 taona ary 5 000 Ar ny ankoatr’izay.
– Vahiny mpizahatany: 10 000 Ar ho an’ny zaza latsaky ny 10 taona ary 20 000 Ar ny mihoatra an’izay.
Fitsidihana manontolo ny Rova
– Teratany malagasy na vahiny efa monina eto: 5 000 ar ho an’ny zaza latsaky ny 10 taona ary 10 000 Ar ny ankoatr’izay.
– Vahiny mpizahatany: 20 000 Ar ho an’ny zaza latsaky ny 10 taona ary 40 000 Ar ny mihoatra an’izay.

Partager sur: