Tontosa ny sabotsy 17 jona teo, teny amin’ny Lycée privé Daniel, Andravoahangy ambony, ny fanadinana ho an’ ireo mpianatra valiha eo anivon’ny Foibe fikarohana sy fampianarana Valiha Académie. Fantatra taorian’ity fitsapam-pahaizana ity fa ny mpiadina 7 mianadahy (6 lehilahy, iray vehivavy) no hivoaka ho mpampianatra amin’izy ireo. Anisan’ny nanadinana ny mpianatra teny an-toerana ny fahaizana mifehy ny solfezy sy ny fitendrena valiha. Nomarihin’ny tompon’andraikitry ny fampianarana fa ankoatra ny fitendrena, efa niroso tamin’ny dingan’ny fikarohana izy 7 mianadahy ireto.
Raha tsiahivina, ankoatra ny fianarana ny solfezy, ny fitendrena valiha, anisan’ny omen’ity foibe ity lanja lehibe ihany koa ny fampahafantarana ny fomba amam-panao mifandraika amin’ny valiha. Ny fifamatoran’ny valiha amina kolontsaina malagasy hafa, sns. Anisan’ny olana lalovan’ny fampianarana valiha eto Madagasikara ny mbola tsy fahafantaran’ny Malagasy io zavamaneno io, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Valiha Académie hatrany.
HaRy Razafindrakoto