Mpiadina CEPE: nomena “transcripteur” manokana ireo manana fahasembanana

99 ireo mpiadina manana fahasembanana niatrika CEPE, omaly, manerana ny Nosy. Nisy ny fepetra manokana ho azy ireo nahafahana niadina tamim-pilaminana.

Roa ny mpiadina manana fahasembanana niatrika CEPE, tetsy amin’ny foibe CEG Avaradoha, omaly. Miaina miaraka amin’ny fahasembanana ara-tsaina izy ireo. “Miteraka tsy fifantohana ka mila «transcripteur» mandika ny laza adina amin’ny teny”, hoy ny talen’ny foibem-panadinana, Rami­hantarivelo Lovasoa. Mbola manatrika eo ihany koa ny «transcripteur» manokana mandritra ny fitsarana ny taratasim-panadinan’izy mianadahy.
13 taona ilay zazalahy manana fahasembanana ara-tsaina. Matetika nianjera izy, izay nitarika dona tany amin’ny lohany. “Vao tapaka koa izy nefa vonona hiatrika ny fanadinana toy ny ankizy rehetra mitovy aminy”, hoy ny reniny. Natokana anatin’ny efitrano iray izy mianadahy manatontosa ny fanadinana.
Ho an’ny Cisco Antana­narivo Renivohitra, 21 ny mpiadina manana fahasembanana.
1103 ny mpiadina tao amin’ny CEG Avaradoha, miaraka amin’ny foibem-panadinana fanampiny roa, tao amin’ny EPP Betongolo sy EPP Avaradoha. Ampy ny valopy ho an’ny efitrano fiadinana 19. Tonga avokoa ny mpanara-maso telo isaky ny efitrano. Roa andro ny faharetan’ny fitsarana ho an’ity foibem-panadinana ity.
“Efatr’andro ka hatramin’ny 10 andro aorian’ny fanadinana no tombanana hivaly ny CEPE amin’ity taona ity”, hoy ny minisitry ny Fanabea­zam-pirenena, Sahondrari­malala Marie Michelle, oma­ly. Nidina ifotony, nanara-maso ny fanombohana ny fanadinana teny amin’ny CEG Avaradoha izy. “Nanomana sora-bola 40 miliara Ar ny minisitera ho karaman’ny mpiasa mampihodina ny fanadinana. Efa nalefa any amin’ny Cisco sy ny Dren izany. Misy paikady napetraka ny fandoavana ny vola. Mbola manara-maso ny contrôleur d’Etat. Matetika tsy mifanaraka ny anaran’ny olona tonga niasa sy ny nantsoina ka mila fanamarinana. Efa nofanina ny tomponandraikitra hisorohana ny fahadisoana ka mahatara ny fandefasana ny antontan-taratasy any amin’ny famoahana ny sora-bola”, araka ny fanazavana voaray.

Vonjy A

Mitohy ny fandraisana mpampianatra Fram

Telo taona no nandraisana ho mpiasam-panjakana ny mpampianatra Fram nahafeno ny fepetra. Efa tafiditra ho mpiasam-panjakana ny 31 500. “Mbola mitohy ha­tramin’izao ny fandraisana azy ireny”, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. 4 000 ny mpiasa misotro ronono isan-taona. Mian­kina amin’ny “poste budgetaire” avoakan’ny fanjakana ihany ny fahafahana mandray mpiasa vaovao. Raha ny tombana natao, tokony tsy hisy mpampianatra Fram tsy voaray ho mpiasam-panjakana intsony afaka dimy taona. Tsy mahazo mandray mpampianatra vaovao intsony ankoatra ireo efa am-perinasa ny minisitera.

Partager sur: