Boriborintany 6: zazalahy 1 500 hoforaina maimaimpoana

Nosantarina, omaly, tetsy amin’ny BMH Isotry, ny hetsika didim-poitra faobe karakarain’ny Kaominina Anta­nanarivo Renivohitra. Mian­draikitra izany ny departemanta misahana ny sosialy sy ny fahasalamana. Tonga teny an-toerana ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina sy ny mpiara-miasa aminy. Hitety ny CSB II eny amin’ny boriborintany 6 ny hetsika. Hitohy hatramin’ny faran’ny volana jolay 2023 izany, araka ny voalazan’ny tale misahana ny sosialy, Raharinandrasana Hajatiana.
Nahafahana nanatanteraka ny hetsika ny fiaraha-miasa teo amin’ny CUA sy ny fi­kambanana Manjaka Vintana Béton Armé. Ity farany izay nanentana teny anivon’ny fo­kontany. Mifanampy amin’ireo dokotera manao ny famorana mandritra ny hetsika ny fikambanana Misan­dratra.
Manodidina ny 1 500 ireo ankizilahikely kasaina hatao didim-poitra faobe ao anatin’ny 2 volana. Tanjona ny hisitrahan’ny zazalahikely ny fomba malagasy sy ny fanampiana ireo fianakaviana sahirana. Hitohy eny amin’ny CSB II Volosarika ny hetsika amin’ny herinandro.
Mikarakara famorana fao­be toy izao ny Kaominina Antananarivo Renivohitra isan-taona.

Tatiana A

Partager sur: