Miantso ny HCC hampitsahatra ny filohan’ny Repoblika amin’ny asany ny RMDM, manoloana ny fizakany ny zom-pirenena frantsay, araka ny nambaran’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tetsy Bel Air, omaly. Niantso ireo kandidà rehetra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena natao ny taona 2018 koa ireto avy amin’ny fanoherana ireto hivory ny zoma ho avy izao, ka hanamafy izany fitakiana izany eny amin’ny HCC. “Antsoina koa isika mpanao politika rehetra hiara-hidinika momba ny fanapahan-kevitra tokony horaisina eto amin’ ny firenena. Hotanterahina ny alarobia 28 jona ho avy izao, raha tsy misy fandraisana andraikitra ataon’ny HCC”, hoy ihany ny eo anivon’ny RMDM.
Nohitsin’izy ireo fa anisan’ny antony tsy nahazoana ireo Nosy manodidina tamin’ ny fitakiana natao ny fisian’ny mpitondra eto amintsika mizaka zom-pirenena Frantsay.
Synèse R.




