Depiote Randrianasolo Augustin :”Tsy izahay no manoratra ny fanitsiana tetibola”

“Tsy izahay no manoratra ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana (LFR) ka hoe tsy nisiany, fa izahay aza mba niandry. Ny mpanoratra an’izay no tsy nanao. Anjaran-dry zareo izay. Izy no mahita ny antony.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote ao Marolambo, Fari­tra Atsinanana, Randrianasolo Augustin.
Efa nambaran’ny eo anivon’ny mpanatanteraka ny antony nahatonga ny tsy fa­naovana an’izay fanitsiana tetibola izay. Na izany aza, misy ifandraisany amin’ny fi­tsipaham-pitokisana tsy raikitra na manjavozavo tamin’ny taon-dasa izay heverina ho krizina andrimpanjakana eo amin’ny governemanta sy ny Antenimierampirenena.
Mangatsiatsiaka  ny fifandraisana
“Misy takaitra hatrany avelany na vonoina aza ny afo, indrindra amin’ny politika”, hoy izy.
Noho izany, mangatsia­tsiaka ny fifandraisana eo amin’ny governemanta sy ny Antenimierampi­re­nena. Vao tsy nisy ny LFR, iaraha-mahita fa nihena ny fahefan’ny mpanao lalàna ny amin’ny tetibolam-panjakana. Eo koa ny tsy fahatongavan’ ny depiote mivory.
Misy depiote, ankoatra ny fidinany eny an-kianja hijery vahoaka amin’ny toerana misy azy: manatrika fivoriana hanaovana fanitsiana ny lalàna mifehy ny tetibola no mahaliana azy.
Izay no tena hahatongavany. “Inona tokoa moa no aleha ao, raha hihaino fotsiny nefa tsy afa-kamaly sy hitondra fanazavana ako­ry?”, hoy ihany izy. Aleo midina eny an-kianja…
R. Nd.
Partager sur: