“Mahazo miteny izay tiany holazaina avokoa ny olona, fa ny HCC ihany no tompon’ny fahefana na mahazo mirotsa-kofidina na tsia ny filohan’ny Repoblika ny amin’ny fananany zom-pirenena vahiny. Raha ny HCC milaza hoe mahazo mirotsa-kofidina izy na tsia, tsy misy afa-manohitra an’ izay ankoatra ny sehatra iraisam-pirenena.” Izay ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Gideona fandresena ny fahantrana eto Madagasikara (GFFM), ny pasitera Mailhol.
Amin’ny maha filohan’ny Repoblika ny filoha, manana zom-pirenena vahiny izy. Efa tsy misy mandà an’izany intsony amin’izao. Ny fanontaniana hoe: tokony tsy hirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika izy?
Maro ireo filohan’ny Repoblika nifandimby teto amintsika. Ny fanontaniana: iza tamin’izy ireo no tsy nanana zom-pirenena vahiny?
Nahazo zom-pirenena vahiny ny filohan’ny Repoblika amin’ny maha Malagasy azy. Eo hatrany ny maha Malagasy azy. Tombontsoa ny fananana zom-pirenena vahiny. Ny mpanolotsain’ny filoha aza niteny fa nomena zom-pirenena izy. Omena tombontsoa ve handa? Samy hihazakazaka ny rehetra raha omena izany. Tsy mitovy amin’ny eto Madagasikara ny tombontsoa azo amin’izany.
R. Nd.