Mitohy hatrany ireo seho an-tsehatra tafiditra ao anatin’ny hetsika « Fetin’ny mozika ». Toerana maro no ahitana izany. Iray amin’ireny ny etsy amin’ny IFM Analakely, anio.
Fitendrena piano, mozika rap, tononkira mientana… Hanana endrika samy hafa kanefa mifameno amin’ny maha mozika azy ny seho hotontosaina anio, etsy amin’ny Institut Français Madagascar (IFM) Analakely. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny « Fetin’ny mozika », hanomboka amin’ny 7 ora hariva ny fampisehoana iarahana amin-dry Raboussa, Vy Mamay, Ratsilahy, Njaka Rakotonirainy ary Fy Ny Aina Rajaofetra.
Raboussa miaraka amin’ ny tononkira tsotra sy mora raisina ary mitondra sy mampita hafatra lehibe. Tahaka izany ihany koa i Vy Mamay sy ny talentany. Hanakoako eny an-toerana ireo hirany tsy afaka eo am-bavan’ny mpitia kanto. Anisan’ireny ny « Antso ho anao », « Sao tsy voafehy », « Apetrako aminao », « Zazakely », « Diso Ady Resy »… Manomana tetikasa maromaro rahateo i Vy Mamay amin’ity taona 2023 ity. Iray amin’ireny ny famoahana « album ». Marihina fa firenena 120 maneran-tany no mankalaza ny « Fête de la musique » !
HaRy Razafindrakoto