Fivoaran’ny natiora : miova ny rohy voahary rehefa miova ny tontolo iainana

Natao tany Ampefy, ny 6, 7 ary 8 jona 2023 teo, ny atrikasa teo amin’ny mpahay siansa sy ny mpanao gazety, ao anatin’ny tetikasa Varuna. Anisan’ny noresahana, ny anton’ny fikarohana mikasika ny tontolo iainana sy ny fiarahamonina ankapobeny.

Mifampiankina foana ny fivoaran’ny en­driky ny tontolo ma­nanaina, rehefa miova ny rohy voahary ao aminy. Nilaza ny profesora Razanaka Samuel, mpahay ekolojia, ny biby sy ny ala, fa mivoatra araky ny fotoana ireo singa voatanisa ireo. Toy ny tontolo biolojika, ny ara-fizika, izany hoe hita maso, ny tontolon’ny olombelona ary ny tontolo manodidina. Tena manafaingana ny fiovana sy ny fivoarana na ny fahasimbana ny asan’ny olombelona. Santionany amin’izany ny biby mipetraka anaty ala, lasa ompian’ny olombelona, ohatra.

Loza fahenina

Toraka izany koa ny ala voajanahary trandrahana, ha­vadika ho fambolena ho an’ny filàn’ny olombelona. Miova manaraka ireo ny rohy voahary ao amin’ny toerana iray sy ny firindran’ny tontolo mananaina toy izao fiovan’ny toetr’andro iainana izao.

Nilaza Rtoa Paquet Sarah, mpikaroka ao amin’ny Ivon­toerana frantsay momba ny fikarohana ho an’ny fampandrosoana (IRD-UMR SENS), fa hipoitra ny loza faharinganana lehibe fahenina raha tsy misy ny fiarovana, mety mitohy ny fahasimban’ny tontolo iainana izay vokatry ny asan’ny olombelona. Ny faharinganan’ny dinaozoro ny fahadimy farany, tamin’ny 65 tapitrisa taona lasa.

Fitantanana maharitra

Nambaran-dRtoa Stéphanie Carrière, mpikaroka IRD-UMR-SENS, fa anisan’ny nohalalinin’izy ireo ny fivoaran’ny tontolo iray mikasika ny fomba fiainan’ny olombelona, ny sakafony, ny zavatra vokariny, ny asa fivelomany, sns. Nohadihadiana koa ny fivoaran’ny karazan-javamaniry, ny asan’ny tontolo mananaina amin’ny rohy voahary. Nanamarika ny Profesora Andriamahefazafy Fano, Sojaben’ny Fakioliten’ny Toekarena, ny fitantanana ary ny sosiolojia (EGS) eny amin’ny oniversite Ankatso, fa tanjon’ny fikarohan’ny siantifika ny hametrahana fitantanana maharitra ny tontolo iainana, sady mitondra fampandrosoana.

Njaka Andriantefiarinesy

Ireo faharinganana lehibe teto an-tany
1/(-445 tapitrisa taona lasa Ma): Ringana ny ampahatelon’ny biby anaty ranomasina, tratry ny aretina. (Orovicien)
2/ (-360 tapitrisa taona la­sa) : Simba ny harambato an-dranomasina ary maty ny ankamaroan’ny hazandranomasina, tsy naninona loatra ny hazandranomamy (Dévo­nien).
3/(-248 tapitrisa taona lasa) : Ringana ny antsasaky ny zava-mananaina an-dranomasina, ringana ny biby an-tanety mandady, ringana ny 95%-n’ny zava-mananaina (Permien).
4/(-206 tapitrisa taona lasa) : ringana satria tratry ny aretina ny zava-mananaina am­mo­noïdes sy ny nautiloïdes (Trias).
5/ (Crétacé : -65 tapitrisa taona lasa) : Ringana ny karazam-biby dinaozoro rehetra. Velona daholo ny zava-mananaina an-dranomasina, ny bibikely mampinono, ny zavamaniry an-tanety, ny trondro, ny harambato sasany.

Partager sur: