Hotanterahina manomboka ny sabotsy 24 sy ny alarobia 28 jona, ny lalao ampaha-16n- dalana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara « Telma Coupe 2023 », taranja baolina kitra. Hiakatra kianja amin’io fotoana io ireo ekipa mifanintsana amin’ny « Orange Pro League », anisan’izany ny Elgeco Plus, ny CFFA Andoharanofotsy, Uscafoot, AS Fanalamanga Football, Cosfa. Tsiahivina fa ny ekipan’ny Elgeco Plus no tompondaka farany tamin’ity fifaninanana ity, raha toa ka ny Fosa Junior no tompon’ny amboara lefitra.
Fitia (Mpianatra asa)
Ny fandaharan-dalao ho an’ny eto Antananarivo :
Sabotsy 24/06/2023
Kianja Carion :
08 ora : Uscafoot (OPL) vs FC Rouge (ALFA)
10 ora : CFFA-Andoharanofotsy (OPL) vs NET FOOT (ALFA )
12 ora : Elgeco PLUS FC Madagascar (OPL) vs Kinga Sport (ALFA)
Alarobia 28/06/2023
Kianja Carion :
10 ora : AS Fanalamanga Football (OPL) vs CFFA Espoir ( ALFA )
12 ora : Cosfa Football (OPL) vs EFCA Mi 20 (ALFA)




