Seho etsy sy eroa…: nanokatra ny “Fetin’ny Fahaleovantena” ny “Fetin’ny Mozika”

Efa volon’andro fety! Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fidirana amin’ny fetim-pirenena. Nitohy, omaly, tamin’ny “Fetin’ny Mozika” izany, ary haharitra hatramin’ny 26 jona.

Efa nisy tamin’ny faran’ny herinandro. Nalefa mialoha mantsy ny fa­namarihana ny “Fetin’ny Mozika”, teny Tanjombato ny sabotsy lasa teo, izay nokarakarain’ny Alliance Française. Nitohy omaly izany, tamin’ny alalan’ny fifaninanana “Ques­­tions pour un mélomane”, tetsy amin’ny foibe Andava­mamba. Tsy izay ihany anefa, fa mbola nisy sehatra lehibe ihany koa omaly maraina, teny Ivato. Nifandimby nizara ny kantony tamin’io ny Mitabe, Cie Rianala, Sekol­tora, Repsect All, Joda’s Groupe, Art Dimy, Veloary, sns. Fampisehoana mozika sy dihy, hatramin’ny haihaingo sy hairaha arak’endrika amam- bika, satria mifampiankina avokoa ny seha-kanto rehetra.
Tsy ny AFT irery fa nisy seho ihany koa tao amin’ny IFM Analakely, omaly. Mo­zika maroloko, raha notarafina tamin’ireo mpanakanto nanafana ny fotoana. Rabous­sa sy ny rap. Ry Fy Rajaofetra sy ry Njaka Rakotonirainy, fantatra amin’ny maha mpitendry jazz azy, sns.

“Podium” eo Anosy
Nifanandrify ihany koa ny fanamarihana ny “Fetin’ny Mozika”, sy ny “podium” izay hampifaliana ny vahoaka noho ny “Fetin’ny Fahaleo­vantena”. Samy nanamarika izany ny faritra maro manerana ny Nosy. Ho an’ny eto Antananarivo, efa nanomboka ny talata teo ny “podium” etsy Anosy, izay nitohy omaly. Nanafana ny fotoana ireo tarika mpivoy ny rock, toa an-dry Mage 4, Iraimbilanja, Erica, Green ary ny tarika Kiaka. Mirona any amin’ireo mpivoy ny mozika mafana sy ny mozika ankehitriny kosa ny anio, ahitana an-dry Oladad, Daliah Saramba, Ariane, Dalvis, Dah Mama, Annicette, Chantal, Ramora Favori ary Big MJ. Hitohy ny zoma, miaraka amin-dry Bagzana, Ma­naly, Black Nadia, Ceasar, Viavy Chila, Sylange Kila­laky, sns, izany. Hifangaro­haro ny gadona ny andro fa­ran’ny “podium”, ny sabotsy. Hifandimby eo ry Njakatiana, Mem’s Akademia, Mirado, Dadi Love, Rim Ka, Simonda Valera, Malm, Elidiot, sns. Marihina fa manomboka
amin’ny 5 ora hariva hatrany ny seho rehetra.

Zo ny Aina

Partager sur: