Hifanome fotoana amin’ny mpankafy azy sy ny kanto ataony, ny zoma 23 jona ho avy izao, ao amin’ny Le Pave Antaninarenina, ny mpanakanto Matsubara. Ho feno tanteraka ny tarika amin’io fotoana io. Midika izany fa hafana ny “cabaret” hatolotra. “Revy Matsubara ranoiray”, izany hoe, ho re ao avokoa na ny hira taloha na ny hira vaovao, toy ny “Tsy misy koa agny”.
Ny Safira no mikarakara ny hetska, tohanan’ny Kay Keny sy ny mpiara-miombon’antoka maro, izay nampanantena seho miavaka sy mahafa-po. Manomboka amin’ny 9 ora alina ny seho ary haharitra ora maro. «Sady mihira no mitsakitsaky, izany hoe, ahitana tsakitsaky sy zava-pisotro eny an-toerana mandritra ny “cabaret”», hoy ny mpikarakara.
Mi.Raz