Production, izay tantanin’ny tale jeneraly Laza Retsanga. Eny Ambodirano Ivato no misy ny foibeny. Hiatrika asa avy hatrany ry zareo. Eo am-panomanana ny horonantsarimihetsika “Anjoria” izy ireo ankehitriny ary hivoaka tsy ho ela ny vokatra, raha ny filazan’i Laza.
“Ny hanandratra avo ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy no tanjon’ny Laza Production. Hiezaka hanome ny tsara hatrany ho an’ny mpankafy sarimihetsika malagasy izahay… Ny handeha lavitra amin’ny fanandratana ny zavakanto malagasy ary ho reharehan’ny Malagasy koa no tena imasoana. Efa misy ny vokatra ary tsy ho ela”, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Laza Production.
Ankoatra io, misokatra amin’ny fiaraha-miasa ny tenany sy ny orinasa tantaniny, raha ny fanazavany hatrany. Hisy ny fifantenana mpilalao hanatevina ny efa ao, izay hatao amin’ny volana jolay ho avy izao, araka ny nambarany.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto