Basikety-Mada vs USA: halefa mivantana amin’ny « Ecran géant » ny lalao

Ho fiombonana sy fanohanana ny Ankoay, hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany U19, hikarakara fandefasana amin’ny “Ecran géant” ny lalaon’i Madagasikara sy Etazonia, ny 24 jona izao, ny ligin’Analamanga, basikety. Eny amin’ny kianja basikety eny Ankatso, ny hanaovana ity fampitana mivantana ity. Hanomboka amin’ny 12 ora ny fotoana ary hisy ny fampisehoana sy fanentanana maro mialohan’ny handefasana ny lalao amin’ny 1 ora atoandro. Tsy misy ny vidim-pidirana ary manentana ny mpankafy basikety ny ligin’Analamanga, hiaraka hanohana ny Ankoay.

Efa niainga tao Serbie

Nanainga omaly, hihazo an’i Debrecen Hongrie, ny delegasiona malagasy, hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety U19. Nanaraka fiofanana nandritra ny 10 andro tao Serbie ireto Ankoay ireto ary nanao lalao ara-pirahalahiana efatra ho fanomanana ity lalao goavana ity. Ny 24 jona izao no hanomboka ny fifaninanana ary i Etazonia no hifandona voalohany amin’ny ekipa malagasy. Tsiahivina, ao amin’ny vondrona B no misy an’i Madagasikara, miaraka amin’i Etazonia, i Liban ary i Slovanie.

Mi.Raz

Partager sur: