“Antsam-piderana ho an’ny firenena”: mpanakanto ara-pilazantsara maro no hanafana ny seho

Hotanterahina ny alahady 25 jona 2023, ao amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny « Antsam-piderana ho an’ny firenena ». Fampisehoana goavana karakarain’ny fiadidiana ny Repoblika, iarahana amin’ny mpanakanto sy antoko mpihira ara-pilazantsara miisa 18. Hetsika ara-javakanto sy hitondrana am-bavaka ny firenena, mialoha ny hankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena izao hetsika izao.

Fampisehoana ara-pilazantsara no entina hanokafana ny fankalazana ny faha-63 taona nahazoana ny fahaleovantena. Hampiavaka ity fampisehoana ity ny fisian’ireo mpanakanto ara-pilazantsara maro samihafa, izay samy haneho ny maha izy azy. Hisy ny avy any amin’ny faritra ho avy eto Antananarivo, ankoatra ireo efa eto an-toerana. Anisan’izany ny KTKT Toliara, Teza Chorale Militaire de Toliara. Mandray anjara amin’ity “Antsam-piderana ho an’ny firenena” ity ihany koa ny Chorale AMMI, ity farany izay antoko mpihira ivondronan’ireo mpiasa eny anivon’ny andrimpanjakana samihafa. Hiray sehatra amin’izy ireo ihany koa anefa ireo mpihira sy antoko mpihira ara-pilazantsara malaza ankehitriny, toa an’i Rija Rasolondraibe, Pasteur Jocelyn, Joseph D’af, TDL, Pepe Shine, Tanora Masina Itaosy ary ny Jaws Band… “Efa ao anatin’ny fahavononana tanteraka ny mpandray anjara rehetra. Fampisehoana goavana sy tena mahafinaritra no atolotray ho an’ny vahoaka malagasy ho avy ao”, hoy i Andry, avy ao amin’ny tarika Unity, handray anjara amin’ny fampisehoana ihany koa.

Hanatrika ny fotoana ny filoha mivady

Manodidina ny adiny 4 eo ity “Antsam-piderana ho an’ny firenena” ity. Fampisehoana izay hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro. “Samy haneho ny mampiavaka azy ny tarika  sy ny antoko mpihira ara-pilazantsara ho avy ao. Izy ireo izay nosafidina manokana noho ny lazany sy ny mampiavaka azy”, hoy ny talen’ny hetsika sy ny seho eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Marihina fa hiaraka hidera sy hianoka izany fampisehoana izany amin’ny vahoaka malagasy ny filoham-pirenena Rajoelina Andry sy ny vadiny. Ankoatra ny fampisehoana, hisy ny fandefasana afomanga, avy ao amin’ny kianja Barea, miaraka amin’ny eny amin’ny farihin’Anosy, mandritra io fotoana io.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: