Hoavin’ny ankizy malagasy: hamafisina ny ady amin’ny zava-mahadomelina

Nikarakara adihevitra ho an’ny manampahaizana sy tomponandraikitra ambony maro, ny teo anivon’ny Sos Villages d’enfants, afakomaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy. Nodinihina nandritra izany ny fomba hatao mikasika ny fihanaky ny zava-mahadomelina eto amin’ny firenena. Tanjona ny hijerena paikady entina hisorohana izany eo am-pijerena ny hoavin’ny ankizy rahampitso.

Mitsindrona zava-mahadomelina sahady ny ankizy malagasy 12 taona. Antony mahatonga izany ny tsy fahampian’ny fialamboly sy fanatanjahantena ary ny tsy fahampian’ny fitiavana avy amin’ny ray aman-dreny. Nohamafisin’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Sos Villages d’enfants, Maitre Raharinivonirina Maria fa :« tsy nisy politika matotra noraisina teto amin’ny firenena, nentina niady sy niarovana ny ankizy manoloana ny fihanaky ny zava-mahadomelina ka anton’ny hetsika ».

Nivoitra tao, fa mahatonga voka-dratsy ara-pahasalamana (eo amin’ny atidoha, vatana ary mahatonga fahafatesana na VIH/Sida) ny fitsindromana na fifohana zava-mahadomelina. Nojerena ihany koa ny lalàna sy ny sazy ho an’ireo tratra manao izany. Nitadiavam-bahaolana koa ny paikady hisarihana ny ankizy sy ny tanora hiala voly, hanao fanatanjahantena…). Entanina ny rehetra noho izany hiaraka hiady sy handray andraikitra manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Anisan’ny paikady lehibe amin’izany ny fanatanterahana haitaky amin’ny fanjakana hiarahana hampiseho fahavononana hiady.Tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny zo sy ny iray volan’ny ankizy ny hetsika.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: