TGV/Mapar: “Ndao hiatrika fifidianana raha sahy…”

Nivoaka tamin’ny fanginany ireo eo anivon’ny TGV/Mapar, tamin’ny alalan’ireo mpitarika : depiote sy ny olom-boatendry, omaly, tetsy Isoraka. Mazava ny azy ireo.  “Ndao hiatrika fifidianana raha sahy… Tahotra izany ny an’ny sasany mivoy lava io resaka zom-pirenena frantsay io“, hoy izy ireo. Nitarika ny fihaonana ny sekretera nasionaly (SN), Rasoamaromaka Hery sy ireo depiote IRD sasany eto an-dRenivohitra. Nohitsin’izy ireo fa adihevitra diso toerana ny an’ny mpanohitra. Eo koa ireo mpanao politika tsy mahay lalàna. Notsiahivin’izy ireo fa anisan’ny filoha, ankoatra ny amiraly Ratsiraka sahy nitaky ireo Nosy manodidina ny filoha Rajoelina. Teo koa ny fahasahiany miaro ny tombontsoam-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana amin’ireo tetikasa lehibe, toy ny QMM sy ny fanarenana ny Rova …

Etsy andaniny, nambaran’ny TGV/Mapar fa  vonona ny Ceni, ary efa hanampy eo amin’ny vola, amin’ny alalan’ny tahiry “Basket fund”, ny sehatra iraisam-pirenena hanohanana antsika. “Fanakorontanana ny ankoatra izany“, hoy ihany ny TGV/Mapar.  

Etsy andaniny, niaiky ny disadisa anatiny eo amin’ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry na koa ny amin’ireo fikambanana ny eo anivon’ny TGV/Mapar. Nadikan’izy ireo ho ady fitia amin’ny filohan’ny Repoblika avokoa ireny sady fomban-javatra. “Anjaranay ny mandrindra sy mandamina  izany. Tsy tokony hisy ho voailika izany fa iray ihany isika“, hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: