Misy aretina antsoina hoe efaha mamely ny lomotra mena, izay tsy mbola nahitana fanafody mahomby hatramin’izao. Fomba iray hisorohana ny fifindran’ny aretina amin’ny fambolena rehetra mifanakaiky ny fanesorana mialoha ny lomotra simba ary angonina ny fako isaky ny roa volana. Soloina fitaovana vaovao ny lanjan’ny fako voaangona ary misitraka tosika toy ny vary sy fitaovam-piasana izay mahavokatra betsaka indrindra. Anatin’ny tanàna iray, tolorana vary ny mpamboly efatra mahomby indrindra.
Nampitaraina ny mpamboly ny fisian’ny mpangalatra lomotra ary mahazo fitarainana enina ny mpitantana ny OF anatin’ny iray volana. Matetika ireo samy mpamboly ihany no manao ny asa ratsy ary lasany hatramin’ny fitaovana (tady, gony…) mihitsy indraindray. Misy olona ahiahiana koa ankoatra ny mpamboly fa tsy mbola tratra. Napetraka ny mpanara-maso ny voly ary nititiky (fomba malagasy) ny olobe handresy lahatra ny olona tsy hangalatra.
Vonjy Andrianjaka




