Manana tady fambolena lomotra 500 any an-dranomasina i Merlande mpanjono ao amin’ny kaominina Anakao ary iray amin’ireo mpamboly 1500 miara-miasa amin’ny Ocean Farmers. Sady nahazo fiofanana izy no novatsiana fitaovana koa ary manao fifanarahana fa tsy hivarotra ny vokatra amin’ny orinasa hafa. 400 izy ireo no mikambana ao amin’ny “Anakao manao”, samy mpamboly lomotra avokoa. Mampiditra vola 1 600 000 Ar ho an’ny tokantranony isam-bolana ny fambolena lomotra satria indroa ny fiotazana. Manome lomotra maina 1kg ny lomotra lena 10kg. “Mahavelona azy fito mianaka ny fambolena lomotra ary afaka mianatra ny zanany vokatr’izay”, hoy izy. Tombony lehibe amin’ny fambolena lomotra ny asa tsy miankina amin’ny toetry ny andro ary azo trandrahana tsara mandritra ny taona, hoy ny fanazavany. Efa manampy azy ny zanany vavy amin’ny fambolena lomotra ankoatra ny fivarotana ny trondro azo rehefa tsara ny andro ary misy ny vokatra.
Vonjy Andrianjaka




