Taorian’ny nananganana Repoblikan’i Madagasikara, tafaverina ny Fahaleovantena ny 26 jona 1960. Na teo aza ny tolona nifandimby hatramin’izay, nanomboka tany amin’ny andron’ny Menalamba, taona 1896: niadiana an-taratasy sy nangatahana ny fiverenan’izay Fahaleovantena izay, fa tsy niadiana mivantana hatramin’ny farany. Tsiahy sy tantara…
Nambara teny Andohalo ny 14 oktobra 1958 ny fijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara, na tsy mbola niverina aza ny Fahaleovantena. Tao anatin’ny “lalàna lasitra” izay nampiharina nanomboka ny marsa 1957 i Madagasikara. Fanomanana amin’ny fizakana ny Fahaleovantena ny “lalàna lasitra”, nahalasa ho filohan’ny Repoblika ny filoha lefitra Tsiranana Philbert ary Kaomisera ambonin’ny Repoblika an’i André Soucadaux.
Taorian’ny fananganan’ny filoha frantsay, ny Jly Charles de Gaulle, Komity fakankevitra momba ny lalàmpanorenana frantsay, jona 1958, nofaritana ny amin’izay hitondrana an’ireo lafintanin’ny fiombonambe frantsay. Nomena ny fahafahany ny governemantan’ny lafintany eo amin’ny sehatra anatiny tamin’izany, saingy niaraha-nanapaka tamin’i Frantsa ny fiarovana, ny raharaham-bahiny, ny toekarena sy ny vola, ny fitsarana… Teto Madagasikara, natao ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 28 septambra 1958, na mizaka tena tanteraka ka tsy miaraka amin’i Frantsa intsony na tsia. Nandresy ny “Eny” ka mijanona eo ambany fiahian’i Frantsa ihany i Madagasikara.
Natsangana ny Repoblikan’i Madagasikara
Natao teny Andohalo, ny 14 oktobra 1958, ny kongresin’ny mpanolotsaim-paritra, nandinihana ny satan’i Madagasikara. Izay no nijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara, nankatoavana ny ny hiram-pirenena malagasy, ny saim-pirenena, ny teny filamatra. Nambaran’ny kaomisera ambony eo anivon’ny Repoblika frantsay, ny 15 oktobra 1958, ny maha ao anatin’ny fiombonambe frantsay an’i Madagasikara sy ny fijoroan’ny Repoblika malagasy ary ny fanafoanana ny lalàna ny 6 aogositra 1896 naha zanatany frantsay azy.
Taorian’ny fahalanian’ny Antenimierampirenena ny lalàmpanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara, 19 avrily 1959, izay novolavolain’ny komity fakankevitra: nivory teny Tsimbazaza ny kongresy, ny Antenimierampirena sy ny Antenimierandoholona, ny 1 mey 1959, ary voafidy ho filohan’ny Repoblika voalohany ny filoha Tsiranana Philbert.
Rain’ny Fahaleovantena ny filoha Tsiranana
Naneho ny heviny ny amin’ny fahaleovantenan’ireo fanjakana mpikambana eo anivon’ny fiombonambe frantsay ny Jly Charles de Gaulle, tamin’ny fivorian’ny Filankevitra mpanatanteraky ny lafintany, tany Saint-Louis, Sénégal, desambra 1959. Nohararaotin’ny filoha Tsiranana tamin’izany ny firesahana ny hahazoan’i Madagasikara fahaleovantena feno sy tanteraka. Eo koa ny hananan’ny parlemantera malagasy fahefana hanomana an’izay fahaleovantena izay. Koa natao tany Paris, Frantsa, ny 10 febroary 1960, ny famindram-pahefana sy ny fiaraha-miasa Frantsay sy Malagasy. Vita rangopohy tany Paris izany ny 2 avrily 1960, ary vita sonia tany amin’ny lapan’Andafiavaratra ny 26 jona 1960. Taorian’izay, nambaran’ny filoha Tsiranana ampahibemaso teo ambony vatomasina, Mahamasina, notronin’ny sekreteram-panjakana, i Jean Foyer, ny fiverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara.
Izao ny kabarin’ny filoha Tsiranana tamin’izany: “Ny Repoblika frantsay sy ny governemantan’ny Repoblika malagasy dia samy manamarika fa efa tanteraka ireo fomba tsy maintsy ilaina, araka ny lalàmpanorenana, mba hampiharina ireo fanekena nifanaovan’ny roa tonta sonia, tamin’ny 2 avrily 1960. Noho izany, miantomboka amin’ny datin’ity fanambarana ity, ny Repoblika malagasy dia miakatra ho eo amin’ny Fahaleovantena sy mandray ny fahefana ary ny tombontsoa rehetra mirakitra ao amin’izany ary koa ny adidy avy amin’izany.”
R. Nd.




