Seho indroa miditra avy hatrany ny anio. Ho famaliana ny hetahetan’ireo marobe te hahita mivantana ny seho ao amin’ny Kianja Masoandro, ao Anatirova io. Nasiana fidirana manokana izay mirary ihany koa, ho valin’ny fangatahana hatrany.
Izay ny antom-pisiany. Natao hamerenana ny tantaran’ny mpanjaka, izay miaraka amin’ny tantaran’ny Rova ihany koa ny Kianja Masoandro. Ireo nasaina manokana ihany no nahita ny seho voalohany tamin’ny fitokanana, ny alahady lasa teo. Nanaraka tamin’ny fahitalavi-pirenena kosa ny hafa. Maro ny fangatahana voarain’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, ka tapaka fa hitohy ny seho ao amin’ny Kianja Masoandro.
Isaky ny sabotsy ihany aloha ny seho hatramin’izao, ka hanomboka rahampitso izany. Amin’ny 3 ora tolakandro ny fidirana voalohany ary amin’ny 4 ora kosa ny fidirana faharoa, araka ny fampahafantarana nataon’ny tomponandraikitra. Misy sarany manokana raha hijery ny seho ao amin’ny Kianja Masoandro fotsiny, izay 2.000 Ar. Hojerena kosa ny an’ireo miaraka manao andiany, toa ireo mpianatra avy amn’ny sekoly, ohatra.
Raha tsiahivina, nosafidina manokana ny tantaran’ireo mpanjaka tao Anatirova, nanomboka tamin’Andrianampoinimerina ka hatramin-dRanavalona III. Io ampahan-tantara io ihany aloha no haverina ho hitan’ny rehetra, ary ireo mpianatry ny CEG Avaradrova izay efa nanomana amam-bolana izany ihany no hamelona azy. Nahazo fiofanana manokana avy amin’ny mpampianatra za-draharaha avy ao amin’ny Académie nationale des arts det la culture (ANAC) ireto mpianatra ireto.
Nofanina ho toy ny mpanakanto feno ireo mpianatra, teo amin’ny lafiny fifehezany ny sehatra, fitafy an-tsehatra, dihy, sns. Nandritra izay fotoana izay, nizatra momba ny firindran’ny seho, ny endri-tsehatra, sns, ireo mpianatra. Matihanina maromaro no tao ambadik’izay, nahitana ny mpandrindra an-tsehatra ankapobeny sy ny mpanampy azy, ny nampiofana ny dihy sy fihetsika, ny nandrindra ny hira sy feon-kira lafika, ny fikarakarana ny fitafiana, ny mpiandraikitra ny haingon-tsehatra ary ny mpikirakira ny feo sy jiro.
Fantatra fa hiovaova ny tantara izay haseho eo amin’ny Kianja Masoandro. Tsy hivaona amin’ny fampahafantarana ny tantaran’ny mpanjaka, ny tantaran’ny Rova ary ny tantaran’i Madagasikara kosa anefa izany.
Zo ny Aina