Tafita hiatrika ny dingan’ny “Playoff Davis Cup, Groupe V”, taranja tenisy, izay tanterahina any Kinshasa, ny ekipam-pirenena malagasy. Hihaona amin’i RD Congo, voalohany tao amin’ny vondrona C, i Madagasikara, lohany ao amin’ny sokajy B. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalaon’i Ouganda, omaly.
Teo amin’ny lalao “Simple 2”, resin-dRasendra Fenosoa, tamin’ny seta 2 no ho 0 (7/5, 6/2), i Tayebwa Frank. Ho an’ny “Simple 1”, lavon’Andriamasilalao Lucas, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0, 6/2), i Trevor Solomon Kazibwe. Raha ny “double décisif”, nampiondrehan-dry Rakotomalala Romeo sy Raharivony Nicolas, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0, 6/1), i Ssekandi Paul sy i Troy Adrian.
Ankoatra izay, ny ekipa voafantin’i Lesotho no tafita miaraka amintsika miatrika ny Playoff, i Ethiopie faharoa tao amin’ny “C” no mifanandrina amin’izy ireo. Tsiahivina fa miakatra ao amin’ny “Groupe IV”, ireo ekipa roa manao famaranana amin’ity lalao iraisam-pirenena ity.
Tsara ny mampahafantatra fa anisan’ny fanomanana atao amin’ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, manomboka ny 25 aogositra – 3 septambra, ihany koa ny “Davis Cup”.
Fitia (Mpianatra asa)