Asa fanaovan-gazety feno ny fakana sary ho an’ny gazety, saingy mbola vitsy ny mahalala izany. Tsy tafapetraka loatra amin’ny toerany ity asa iray ity eto amintsika. Ny mpanao gazety mpaka sary anefa no misedra mivantana ny zava-misy eny an-kianja.
Notanterahina teny amin’ny Trano Sary Ambohidahy, omaly 15 novambra 2022, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny iray volan’ny fakana sary an-gazety. Ny minisitry ny Serasera sy ny kolotsaina, notronin’ireo talen’ny kabinetra ao amin’ny minisitera sy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety ary ny filoha sy mpikambana ao amin’ny Crimad (Collectifs des Reporters d’Images de Madagascar) no nanokatra izany. Fanombohana ihany ny amin’ity taona ity fa hitohy sy hisy foana izany isan-taona ary hisy lohahevitra ny fampirantiana amin’izany fotoana izany.
Mpaka sary an-gazety miisa 13 no mampiranty ny asany mandritra ny iray volana, isaky ny alarobia, ao amin’ny Trano sary Ambohidahy. Ao anatin’izay no hanatanterahana “Conférence” sy “Master class”, hataon’ireo mpikambana ao amin’ny Crimad, ho an’ireo maniry hirotsaka sy te hahalala ity sehatra ity. Fampahafantarana ireo rindra amam-pitsipiky ny fakana sary an-gazety no atao amin’izany. Eo ihany koa ny filazana ny lalana nodiavan’ireo efa misehatra eo amin’ity fakana sary an-gazety ity, ankehitriny. Ankoatra izay, hasongadina mandritra ity hetsika ity ireo zoky sy olobe izay nisongadina teo amin’ny sehatry ny fakana sary an-gazety tahaka an-dRakotondrazaka Iaris, Rakotoseheno Daniel, Randriantsoa Robert ary Ralaindimby Tsilavina. “Fanomezana hasina ny fanaovana sary an-gazety no tanjona amin’izao hetsika izao”, araka ny nambaran’ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Maro ny manao tsinontsinona ny fakana sary ho an’ny gazety. Ny mpanao gazety mpaka sary anefa no tena misehatra sy manao sorona ny ainy eny ifotony mba hahafahana manome vaovao ho an’ny olom-pirenena. “Olana eo amin’ny sehatry ny fakana sary an-gazety ny tsy fametrahana ny hasin’ny mpaka sary an-gazety eo anivon’ny sehatra rehetra sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny”, araka ny nambaran’i Hery Rakotondrazaka, filohan’ny Crimad.
Nanomboka ny taona 2019 hatramin’izao, miezaka hatrany ny minisitera tomponandraikitra manatsara sy manome lanja ny sehatrasa rehetra mba hahatomombana ny asa fanaovan-gazety eto amintsika. Misy koa ny fampiofanana ny mpanao gazety isaky ny sokajiny avy, efa hatramin’ny taona 2020 tontosaina ao anatin’ny fandaharanasa FPJ.
Lin (Mpianatra asa)