Fitondrana am-bavaka ny firenena : nanaka-danitra ny antsam-piderana tetsy Mahamasina

Efa mahazatra isan-taona ny « podium » etsy sy eroa, ny afomanga, ny matso ary ny fampisehoana
aorian’izay. Niavaka tamin’ity taona ity kosa ny seho ara-pilazantsara lehibe, nitondrana am-bavaka ny firenena tetsy Mahamasina.

«Antsam-piderana ho an’ny firenena ». Se­ho goavambe, ta­fiditra anatin’ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena izy ity. Noton­tosaina ny alahady 25 jona teo, tetsy amin’ny kianja Barea Ma­hamasina, ho fitondrana am-bavaka ny firenena. Natao ho zava-dehibe izany ho fiderana ilay Mpahary, sy nanankinana ihany koa ny hoavin’i Madaga­sikara sy ny mombamomba azy rehetra eo am-pelatanany.
Tomefy olona, mpino ma­zava loatra, ny kianja Barea. Nanakoako ny hira fiderana, noelanelanina vavaka. Mpa­nakanto sy antoko mpihira mpanao hira fiderana maro no nifandimby teo amin’ny sehatra goavana, nampiaina ny fotoana. Singanina tamin’ireny ny seho sy fanentanana narahina vavaka nataon’ny Pasite­ra Jocelyn. Nafana sy nandra­san’ny maro ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Rija Raso­londraibe, izay tonga an-tanindrazana manokana nanome voninahitra ny fotoana. Tsy nisy latsa-danja anefa izay natolotra teny an-tsehatra re­hetra, toa ny nataon-dry Jaws Band, Joseph D’Af, KTKT Toliara, Tanora Ma­sina Itaosy, Isaac de Paul, Pretra Aaron, Didà sy Tahiana, sns.
Nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ireo mpitondra fanjakana, notari­hin’ny filohan’ny Repoblika mivady. Hetsika efa fanao isaky ny fankalazana ny fetim-pirenena izy ity, saingy natao amina toerana goavana kokoa tamin’ity. Nitohy tamin’ny fijerena afomanga izany, satria sady nisy tao Mahamasina no nisy teny Anosy.

Zo ny Aina

Partager sur: