Tenisy – « Davis Cup 2023 »: Mijanona « Groupe V » i Madagasikara

Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana ny fifaninanana eran-tany « Davis Cup », izay atao any Kinshasha, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tenisy. Mijanona ao amin’ny “Groupe V” kosa anefa izy ireo. Lavon’i RD Congo, mpampiantrano ny fifanintsanana, tamin’ny isa 2 no ho 1, i Madagasikara, ny sabotsy lasa teo.
Teo amin’ny lalao “Simple 2”, lavon-dRasendra Feno­soa, tamin’ny seta 2 no ho 0 (7/5, 6/2), i Christian Saidi. Ho an’ny “Simple 1”, lavon’i William Bushamuka, tamin’ ny seta 2 no ho 0 (6/2, 6/3) i Andriamasilalao Lucas. Raha ny “double décisif”, nampiondrehan-dry William Bushamuka sy Sarma Nkulufa Da Silva, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/2, 6/1) ry Raharivony Nicolas sy Andria­ma­silalao Lucas.
Araka izany, ny ekipa voafantin’i Burundi sy RD Congo no tafita ao amin’ny Groupe IV, amin’ny taona 2024, ny mpilalaon’i Burundi nandresy an’i Gabon, tamin’ny isa 2 no ho 0.
Tsara ny mampahafantatra fa anisan’ny fanomanana atao amin’ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, manomboka ny 25 aogositra – 3 septambra, ny “Davis Cup”.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: