Nitarika fivoriana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’ antoka iraisam-pirenena ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Notanterahina teny Iavoloha, ny talata teo, nanaovany tatitra ny zava-bita. Nisy ny jery todika momba ny fiaraha-miasa. Ny fanatsarana sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireto mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ireto.
Nambaran’ny Filoha fa nanao ezaka ny governemanta tao anatin’ny efa-taona. “Natao hanamafisana ny fametrahana ny fanjakana manakaiky vahoaka izany. Porofo ireo fotodrafitrasa maro natsangana manerana ny Nosy”, hoy izy.
Notanisainy ny nahavitana efitrano fianarana maherin’ny 4 000. Ny oniversite miisa 15 sy CSB2 miisa 104. Ny hopitaly manara-penitra miisa 28. Efa am-perinasa tsy ho ela ny 13 amin’izy ireo. Ankoatra izay, ny fananganana lapan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy “Bases Opérationnelles”, tafiditra amin’ny fametrahana fandriampahalemana.
Nanamafy ny fanohanana ireo tetikasa ho fampandrosana ny mpiara-miombon’antoka. “Vonona izahay hanohana ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana”, hoy izy ireo.
Synèse R.