Kaominina Toamasina “Suburbaine”: naaton’ny mpanolotsaina ny ben’ny Tanàna

Vaky ny ady eo amin’ny samy mpiray donakafo eo anivon’ny antokon’ny filoha TGV/Mapar. Voakasik’iza­ny ny ao amin’ny kaominina manakaiky ny Renivohitra na i Toamasina “Suburbaine”. Nandray fanapahan-kevitra nandritra ny fivoriana ny filankevitry ny Tanàna ao an-toerana, ny talata teo. Nampia­toana ny ben’ny Tanàna, Ba­rison Charles. Nandatsa-bato miafina ny mpanolotsaina di­my tamin’ny fito. Samy resy lahatra sy tapa-kevitra nanaiky ny hampiatoana ny ben’ny Tanàna avokoa izy ireo. Nitsipaka ny fampiatoana ny ben’ny Tanàna kosa ny roa.
Nambaran’ny loharanom-baovao fa miisa 28 ny antony hanenjehan’ireo mpanolotsaina an’ i Barison Charles. Anisan’izany ny fampidirana mpiasa tsy mifanaraka amin’ny lalàna. Ny fiahiahiana amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana sy ny fampiasam-bola tsy mifanaraka amin’ny fanapahan-kevitry ny filankevitra. Manampy izany ny tsy fanatanterahana ny fanapahana noraisin’ny filankevitra na ilay antsoina hoe “Déli­bération”. Andrasana, araka izany, ny mety ho tohin’ity raharaha fampiatoana ny ben’ny Tanàna Barison Char­les ity. Ny samy mpiray antoko ihany no mifanipaka an-toerana toy ny valala an-karona.

Sajo sy i Synèse R.

Partager sur: