Fanadinam-panjakana BEPC : 25 001 ny mpiadina eto Antananarivo Renivohitra

Hotanterahina ny 3 ka hatramin’ny 6 jolay ny fanadinana BEPC. Efa miomana amin’ny fiatrehana izany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Cisco manerana ny Nosy.

Mahatratra 25 001 ny mpiadina BEPC hiparitaka amin’ny foibem-panadinana 35 manana efi­trano 632, eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. 21 218 nisafidy ny sokajy A. Mizara safidy telo arakaraka ny tenim-pirenena vahiny hatrehany. 783 hanao alemà, 367 hikatroka espaniola, 20 068 nisafidy ny anglisy. Mahatratra 3783 ny sokajy B manome lanja kokoa ny ta­ranja siantifika.
Mbola mizara sokajy telo ny mpiadina. Misy ireo sady hanala ny fanadinana BEPC no mifaninana hiditra kilasy taona faharoa. Ny sasany hiatrika ny BEPC fotsiny. Misy ireo efa afaka BEPC ka hifaninana hiditra amin’ny kilasy faharoa fotsiny. 2637 ny vondrona I, 22358 ny vondrona II, enina ny vondrona III.
15 ireo mpiadina manana fahasembanana hiatrika ny fanadinana BEPC ho an’ny Cisco Antananarivo Renivo­hitra. Mbola ilay mpiadina zokiolona 70 taona tamin’ny fanadinana CEPE no be taona indrindra ho an’ny BEPC. Eny amin’ny lycée Ambohimana­rina ny foibem-panadinany. An­kizivavy10 taona ny zandriny indrindra, eny amin’ny CEG Avaradrova ny foibem-panadinany. 56,30% ny taham-pahafahana BEPC ho an’ny taona 2022 teto an-dRenivohitra.
Efatra andro mialoha ny fanadinana, mamerimberina ny taranja tsy mbola voafehy ny mpiadina. Efa nanomana “fiches” mora raisina sy va­kiana mirakitra ny votoatin’ny lohahevitra isanisany sy ny raikipohy samihafa. Misy ny mandamin-tsaina tsy mametraka tsindry. Tsara fiomanana ka miandry ny figadonan’ny alatsinainy sisa.

Vonjy A.

Partager sur: