Mihava Tour tao Paris : “Ilaina ny fanjakana tan-dalàna…”

Vory lanona tao Paris, ny herinandro teo, ireo zanaka am-pielezana “Diaspora” avy any Eoropa, niatrika ny Mihava Tour. Nitarika izany tany an-toerana ny depiote Randria­nasoloniaiko Siteny sy ireo solombavambahoaka namany. Nambarany fa mila asa azo tsapain-tanana isika. Leo fampanantenana tsy tanteraka ny vahoaka ka ny tena azo atao sy maharesy lahatra no nambarany fa hampandrosoana ny firenena… “Hapetraka ho fototra ny fahaiza-mitantana sy ny fanjakana tsara tantana. Eo koa ny fitsipi-pifehezana sy ny fangaraharana ary koa ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna”, hoy izy. Natsidiny fa ilàna politika mazava, hamerenana ny fitokisan’ny vahoaka, ny fitsarana. Midika ho tsy fifampitokisana ny fitsaram-bahoaka mahazo vahana manerana ny Nosy. Tsy fahatokisana ny nametrahana ny Bianco sy ny Pac… Ilaina ny fahasahiana mandray fanapahan-kevitra amin’ny handravantsika ireo rafitra roa ireo, araka ny nambarany. “Tsy anjaran’ny depiote ny mitsara. Ovaintsika ny Lalàmpano­renana hamerenana ny fifampitokisana ary hapetraka ny rafitra hiarovana ny mpitsara”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: