Ampahibe: fikaonandoha momba ny TCA

Notanterahina, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena Ampahibe, teo ambany fitarihan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny fivoriana fampiharana eto Madagasikara ny fifanarahana ara-barotra momba ny fitaovam-piadiana na “traité sur le commerce des armes” (TCA). Nanatrika izany ireo delegasiona mamita iraka eto Madagasikara. Toy ny avy amin’ny Firenena mikambana, ny Vondrona eoropeana sy ny Vondrona afrikanina ary ireo manampahaizana manokana amin’ny TCA, tarihin’ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeana, Isabelle Delattre Burger. Tanjona amin’izany ny hametrahana paikady mazava hitantanana sy hifehezana ny fitaovam-piadiana. Ankoatra izany koa ny fampahatsiahivana ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany mahakasika ireo andininy samihafa voarakitra ao anatin’ny fifanarahana. Rafitra voakasik’izany ny primatiora, ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny minisiteran’ny Fitsarana, ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena. Nambaran’ny MDN fa manampy an’i Madagasikara amin’ny fitantana sy fifehezana ireo fitaovam-piadiana miditra sy mivoaka eto amin’ny firenena malagasy izao iraka efain’ireto delegasiona ireto izao. Nampahatsiahiviny fa efa vita ny taona 2016 ny fifanaraham-piaraha-miasa ary efa nitsangana ny taona 2018 ny vaomiera misahana izany.

Jean Claude

Partager sur: