Basikety-“World Cup U19” : tapitra teo amin’ny ampahavalon-dalana ny lalan’ny Ankoay

Resin’ny ekipa frantsay teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana ny Ankoay ,omaly. 119 no ho 56 ny isa nisarahan’ny roa tonta.

Resy tamin’ny isa 119 no ho 56 ny Ankoay, tany Debrecen Hongrie, omaly. Tapitra hatreo ny lalan’i Madagasikara, amin’ny fia­diana ny amboara eran-tany. Noravain’i Frantsa, teo amin’ ny ampahavalon-dalana ny no­finofin’i M’Madi sy ny namany. Tany am-panombohan’ny lalao, efa fantatra fa maozatra ry zareo Frantsay. Nisonga­dina teo amin’ny lafiny ara-batana sy teknika. Tsy nanakana ny Ankoay ny hanohitra izany. Hita taratra ny tsy fa­ham­pian’ny traikefa sy ny fifantohana ho an’ny Malagasy.
Nisoritra teo amin’ny mpilalaon’ny Ankoay ny tahotra. Nisy fiantraikany tamin’ny isa. Nanomboka tamin’ny ampaham-potoana voalohany, efa nifanalavitra ny elanelan’isa. Nisy fotoana nioitra ny ekipa malagasy. Nandalo izany, tsy nampiova firy ny elanelan’isa. Nihanahazo hery rahateo ry zareo Frantsay. Tsy nitsahatra nampidi-baolina. Nirava tamin’ ny isa 119 no ho 56

Mpampidi-baolina be indrindra
Mpampidi-baolina be in­drindra, tamin’ny lalao isam-bondrona i M’Madi, nandritra ity “World Cup U19” ity. Naha­faty baolina 78 izy nandritra ny fifanintsanana. Tafiditra ao anatin’ny mpilalao 9 mendrika koa i Lova sy i Jerry.
Nifarana hatreo ny dia ho an’ny ekipam-pirenena mala­gasy, ny Ankoay. Zava-dehibe, nanoratra tantara ho an’ny taranja basikety izy ireo. Sam­bany nandray anjara tamin’ny fiadiana ny amboara eran-tany kanefa efa manana haavo teknika ambony. Nahazo fandresena nanoloana an’i Liban ny ekipa malagasy. Isa telo monja no nandresen’i Slo­venie ny Ankoay, tamin’ny lalao fifanin­tsanana fahatelo natao.

Mi.Raz

Partager sur: