Kitra vehivavy – Swiss Girls Cup 2023 : nahazo ny laharana fahatelo ny Yfomac

Notontosaina tany Bern Suisse, ny sabotsy 24 sy ny alahady 25 jona lasa teo ny andiany fahadimy amin’ny «Swiss Girls Cup 2023», ta­ranja baolina kitra. Anisan’ny nandray anjara, nisolo tena an’i Madagasikara ny Young Foot-ball Madera Club (Yfomac), ho an’ny latsaky ny 15 taona. Nandrombaka ny medaly alimo izy ireo. Baolina kitra lalaovin’olona 9.
Mendrika ny zava-bitan’ny Yfomac. Klioba mpitaiza sy mpamolavola ankizivavy amin’ ny baolina kitra. Laharana fahatelo tamin’ireo firenena 32 nifaninana. Nampiaiky ny rehetra ny fahaiza-manao ara-teknikan’ny mpilalao tsirairay. Tao amin’ny vondrona «B» ny Yfomac. Tsy resy mihitsy nandritra fifanintsanana isam-bondrona. Nitazona ny laharana voalohany.
Anisan’ny fihaonana lehibe, andraisan’ireo firenena goa­vana anjara, ny fifaninanana “Swiss Girls Cup 2023”. Mada­gasikara no hany mpandray anjara sambany niatrika izany.
Samy niresaka ny zava-bitan’ny Yfomac avokoa ireo gazety sy ny mpampahalala vaovao any an-toerana. Tsy nitsoaka ady mihitsy ireo tovovavy gasy na tao anaty rotsakorana aza ny nanatontosana ny lalao sasany. Taorian’ity “Swiss Girls Cup” ity, mbola nihazo an’i Frantsa ny Yfo­mac. Hiatrika lalao telo hafa indray mialoha ny hodiana aty Mada­gasikara.

Tompondaka

Partager sur: