Teny Itaosy indray ny filoha Andry Rajoelina, omaly. Anisan’ny nambarany tamin’izany ny hampandrosoana ny firenena sy ny fikaroham-bahaolana ho an’ny eny Atsimondrano.
“Tsy hanaiky isika raha tsy mandroso i Madagasikara. Tsy hisy hahasakana ny asa sy ny ezaka ataontsika”, hoy izy, tamin’ny fitokanana ny ivontoerana hiadiana amin’ny zava-mahadomelina (Ofnalat), eny Itaosy. Haorina eny an-toerana koa ny hopitaly manara-penitra faha-28 ka napetraka ny vatofototra ho amin’izany. Midadasika ny distrikan’Atsimondrano nefa tsy manana hopitaly ka anton’izao fanorenana izao. Eo koa ny fampitaovana ny “Agent communautaire” sy ny fiara 4×4 ho an’ny fitaleavana Analamanga amin’ny fanjarian-tsakafo.
Etsy andaniny, nisaorany ny vahoaka malagasy tamin’ ny niatrehana ny 26 jona, indrindra ireo nanotrona ny matso teny Mahamasina. “Betsaka ny nanaratsy sy nivazavaza fa ny vahoaka ihany no tompon’ ny teny farany ary nasehony ny fitiavany. Nampihetsi-po ahy tamin’ny nisafo ny andian-tafika ny horakoraka fampaherezana ary teny mamy nanehoana fitiavana azoko”, hoy izy. Mbola nisaorany koa ny tehaka sy horakoraka teny an-dalana hihazo ny eny Itaosy.
Maneho fitiavana izany ka mampirisika ahy hiasa bebe kokoa hatrany, araka ny nambarany.
Ny fitohanana sy ny olan’ny jiro…
Nampanantena ny tenany fa mbola hiverina eny Itaosy ary hitsidika ny any anaty tanana any. Na izany aza, efa nandroso vahaolana amin’ny fahasahiranan’ny mponina eny an-toerana ny filoha… “Anisan’ny tsapako ny fitohanan’ny fiarakodia… Tsy maintsy hijerena vahaolana izany amin’ny fanalalahana ny lalana mankeny Anosipatrana, miainga etsy amin-dRatsimamanga. Tahaka izany koa ny olan’ny rano sy ny jiro?”, hoy izy. Nanteriny fa tsy maintsy hovahana avokoa izany olana izany.
Synèse R.




