Mbola milalao ny Ankoay, anio, ao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, basikety U19, atao any Debrecen Hongrie. Hiatrika ny lalao fiadian-toerana izy ireo ka hifandona amin’i Korea Atsimo, anio zoma 30 jona, amin’ny 8 ora sy sasany alina. Mitazona ny saina ho ambony hatrany ireo Malagasy mpilalao. Hiezaka ny hitady fandresena amin’ny lalao hatrehina satria traikefa no alaina, hoy izy ireo. Tsy hilavo lefona, araka izany, ry M’Madi sy ny namany. Hanome ny faraheriny anio, mba hampisongadina an’i Madagasikara eo imason’izao tontolo izao.
Tsiahivina, lavon’i Frantsa, tamin’ny isa 119 no ho 56 i Madagasikara. Resin’i Serbie, tamin’ny isa 115 no ho 83 i Korea Atsimo. Na dia resy teo amin’ny ampahavalon-dalana aza ny Ankoay, afaka mirehareha. Antony, azon’i M’Madi avokoa ny “meilleur marqueur” nandritra ny lalao efatra nataon’ny ekipa malagasy. Mbola laharana voalohany izy, izay nahazo isa 111.
Mi.Raz