Maina ny tany ! Afaka manatanteraka adin-kiragasy maro ny tarika iray. Saika isan’andro mandeha hatrany. Dinika nifanaovana tamin-dRamilison Dadafara.
Gazety Taratra (*): Mandra-pahatongan’ny rotsakorana volana oktobra, mahatratra firy eo ho eo ny adin-kiragasy vitan’ny tarika iray ?
Ramilison Dadafara (-): Raha niainga teo amin’ny voalohandohan’ny volana avrily, mahavita adin-kiragasy 150 eo ho eo ny tarika mpanao hiragasy iray. Saika isan’andro, mandeha tsy miato. Misy ny lasa lavitry ny renivohitra, fa ao ihany koa ny akaikikaiky.
*Ankoatra ny maha filoha lefitry ny Federasion’ny mpihiragasy anao, mpamokatra rakikira sy rakitsary hiragasy ihany koa i Dadafara. Firy marina ny isan’ny tarika mpanao hiragasy ?
– Somary sarotra ny manome ny isa tena marina. Na izany aza, tarika 50 eo ho eo no fantatra fa misehatra tsy tapaka amin’ny adin-kiragasy ao anatin’ny fotoana hanaovana izany (maintany). Ny tarika iray ahitana mpikambana 35 eo ho eo.
* Hoatrinona isaky ny tarika ny saran’ny adin-kiragasy iray ?
– 1 500 000Ar eo ho eo ny karaman’ny tarika iray. Mety misy fiovana anefa io satria iankinan-javatra maro ny fahalaviran’ny toerana hanatanterahana ilay adin-kiragasy. Izany hoe, raha ampitomboina 150 (adin-kiragasy) io dia mahatratra 225 000 000Ar isaky ny tarika. Raha 35 olona izy ireo no ao anatin’ny tarika iray, 6 428 571Ar eo ho eo isaky ny mpikambana ny vola azon’ny mpihiragasy iray ao anatin’ny 6 volana na 7 volana.
* Amin’ny fotoanan’ny orana, inona no ataon’ny mpihiragasy ?
– Mitodika manokana any amin’ny fiompiana sy ny fambolena ny mpihiragasy rehefa milatsaka ny orana. Tsy hita eny an-kianja intsony izy ireo. Na izany aza, miatrika famerenana hatrany ny tarika tsirairay satria izay mitondra zava-baovao (renihira, zanakira…), no ifandrombahan’ny mpikarakara seho hiragasy amin’ny taona manaraka. Io fotoam-pahavaratra io rahateo no hanarenana ny lesoka tany aloha, raha nisy.
* Inona no mbola lesoka ho an’ny hiragasy ka mila harenina haingana ?
– Ny faharatsian’ny lalana. Ny tsy fahandriampahalemana eny an-dalana. Ny tsy fahampian’ny kianja. Efa misy ny rakikira sy rakitsary hiragasy, saingy, tsy misy ny jiro handefasan’ny olona azy ireny, raha vao miala kely ny renivohitra. Anisan’ny olana lehibe ho an’ny hiragasy ireo.
Nitafa : HaRy Razafindrakoto