Ho fifalian’ny mpankafy…: hiaraka an-tsehatra indray i Poopy sy i Njila

Tsaroanareo ve ilay fampisehoana Njila sy i Poopy tao amin’ny Palais des sports, ny taona 2017? “Firaisankina” ny anaran’ny seho tamin’izay, nentina nanamarihan’i Njila ny faha-40 taona niakarany an-tsehatra. Amin’izao fotoana izao kosa, tonga amin’ny fankalazany ny faha-40 taona niakarany an-tsehatra ihany koa i Poopy… Efa nisy ny seho goavana izay notontosainy tao amin’ny Palais des sports Mahamasina, farany teo. Mazava loatra fa nalahatra ho fahatsiarovana ny nanombohan’i Poopy ireo hira niarahany tamin’i Njila. Ary maninona moa raha fiarahana an-tsehatra indray mihitsy?
Tapaka fa hotontosaina ny alahady 6 aogositra izao io fiarahana io, ao Antsahamanitra. Ho fifalian’ny mpankafy izany, kanefa fifalian’ireo mpanakanto izay ho tafaraka indray koa. “40 taona izay, raha vao nahare ahy nihira i Njila, dia nanapa-kevitra niantso ahy hiara-hihira aminy. Nanomboka teo ny 40 taona nahalalan’ny mpankafy ahy teo amin’ny sehatry ny kanto. Rariny loatra noho izany, raha hiara-hisehatra izahay mianadahy, ho mariky ny fisaorako azy noho ny fahatokisany”, hoy ny nambaran’i Poopy ao amin’ny pejy “facebook”-ny. “Raikitra ary. Amin’ny 6 aogositra mihaona”, hoy kosa i Njila.

Zo ny Aina

Partager sur: