Seces Antananarivo : nitondra vahaolana ny « cellule de crise »

Manoloana ny toe-draharaha manahirana lalovan’ny firenena ankehitriny, mijoro ny Seces sampana Antananarivo, amin’ny alalan’ny « cellule de crise ». Mitondra soso-kevitra ho fanarenana ny firenena, araka ny fanambarana nataony, omaly. Anisan’ny niantefan’izany ny fanabeazana, fampianarana, fampiofanana, fikarohana. Olana ny tsy fametrahana rafi-pampianarana sy rafi-panabeazana mazava sy mahomby avy amin’ny fitondrana nifandimby. Miovaova hatrany araka ny firehana politika izany. Voalaza fa tsy ampy na efa simba sy tsy misy fikarakarana ireo fotodrafitrasa antoky ny fampandehanana ny asa.
Misongadina koa fa tsy mifototra amin’ny zava-misy sy ny filana eto Madagasikara, sy isam-paritra ny rafi-pampianarana sy rafi-panabeazana. Sady nalaina tahaka tamin’ny any ivelany no mamboly toe-tsaina an’olom-boazanaka tsy mandala ny maha izy azy. Tsy ampy na tsy misy mihitsy ny fepetra ahafahan’ny mpampianatra sy ny mpikaroka manatanteraka ny asany amin’ny antsakany sy andavany.
Vahaolana naroson’izy ireo ny fanarenana tanteraka mi­ainga avy eny ifotony ny rafi-pampianarana sy ny rafi-panabeazana. Tanona ny hisian’ny fanabeazana mifototra amin’ny maha Malagasy fa mivelatra amin’ny fanatontoloana.

Vonjy

Partager sur: